Select Page

Madagascar News Forums Crazy World Claudine Razaimamonjy is imprisoned in Manjakandriana prison Reply To: Claudine Razaimamonjy is imprisoned in Manjakandriana prison

#449
Madagascar
Keymaster

Raha mbola « Aeroport » tsy misy gaboraraka ohatran’ny eny Ivato
Tena talanjona ny tena raha nahita ny zava-misy ao amin’io Aeroport Ivato io, ao amin’ilay faritra hidiran’ireo vahiny tonga eto voalohany izay hijerevena ny Passeport sy ny VISA ary fandraisana ny entana (Bagage). Anarany fotsiny ny hoe “Aeroport Internatioenle” kanefa dia tena Gaboraraka ary anjakan’ny kolikoly sy ny risoriso isan-karazany. Misy amin’ireo teratany vahiny tonga, indrindra fa ireo mpanam-bola no tsy mila milahatra sy mampiseho ny VISA sy ny Passeport akory fa avy hatrany dia miditra fotsiny satria efa misy ny mpanera izay mikarakara ny taratasy rehetra izay tsy iza fa mpiasa ao amin’ny Aeroport ihany. Ary ny tena maha sorena dia hatramin’ireo “sécurité” dia misy mpanera koa eo amin’izay fikarakarana taratasy izay. Betsaka ny zavatra tsikaritra fa raha bangona ao anatina fehezan-teny tokana dia baranahana sy gaboraraka ary anjakan’ny kolikoly ao amin’io Aeroport Ivato io. Tsy mahagaga raha tafiditra eto daholo izao karazan’olona tsy alehany rehetra izao ary tafavoaka any ivelany daholo ny rongony mahery vaika sy ny harem-pirenena satria jamban’ny kolikoly daholo ny ankamaroan’ny mpiasa, na ny polisy, zandary, Douane, sns sns.