Select Page

Madagascar News Forums Crazy World Claudine Razaimamonjy is imprisoned in Manjakandriana prison Reply To: Claudine Razaimamonjy is imprisoned in Manjakandriana prison

#450
Madagascar
Keymaster

Nividy iPhone vaovao ity tovovavy iray.Nahita izany ny rainy, ka nanontany azy:”Inona izao anaka ny zavatra nataonao voalohany tamin’ny ianao nahazo an’iny?
Tovovavy: Nasiako ilay “autocollant io ny ecran” mba tsy ho kiaka, dia avy eo aho nividy housse handrakofana ilay iphone.
Dada: Nisy nanery ve ianao hanao izany?
Tovovavy: Tsy nisy ka!
Dada: Ary tsy mba nieritreritra ve ianao amin’izany hoe manao tsinotsinona ilay mpanamboatra azy.
Tovovavy: Tsia ry dada a! Izy ireo mihintsy aza no nanoro hevitra ahy hoe asio fonony.
Dada: Nosaronanao tamin’ny housse satria ve hoe ratsy endrika sy mora vidy?
Tovovavy: Tsy izany ka! Ny tena marina nasiako fonony satria tsy tiako ho simba sy ho vasoka ka hampihena ny “valeur”-ny.
Dada: Nony nasianao sarony, ka tsy vao maika ve nihena ny hatsaràny?
Tovovavy: Hitako hoe tsy mampaninona azy aloha e! sady tena ilaina ny famonosana @ housse mba ho fiarovana ny iphone-ko.

Nibanjina azy ny rainy.Am-pitiavana no nitenenany hoe: “Raha niteny aho nefa hoe tafio tsara ny vatanao fa aza avela hianjakanjaka, moa nanaiky izany tsy am-pisalasalana ve ianao anaka? Ny vatanao nefa dia sarobidy lavitra nohon’ny iphone… Niondrika tsy nahateny ilay tovovavy.

Ry ranabavy! Tsy voatery hampidera ny vatanao amin’ny fitafy miboridandridana vao ho hita hoe manja.Tempolin’Andriamanitra ny tenanao koa hajao sy omeo hasina.Aza avela hianjakanjaka ho hitan’izao rehetra izao ny vatana. Afaka manao fitafy maontina nefa mahasarika.Ny fomba fitafy dia azo hitarafana ny fahamendrehan’ny olona iray.