Select Page

Madagascar News Forums Crazy World Claudine Razaimamonjy is imprisoned in Manjakandriana prison SAF248: Mazotoa nareo roa. Mba atao anonyme azafady

#461
Madagascar
Keymaster

SAF248: Mazotoa nareo roa. Mba atao anonyme azafady

Za zazavavy 23 ans miaraka amin’ny lehilahy 36 ans. Marihako fa efa niteraka 3 izy io ary ny vadiny efa lasa nanaraka lehilahy. Za nefa mbola tsy nanambady no tsy mbola niteraka.Izy aloha tiako satria matotra no sady efa lehibe. Ary vonona ny haka vady ahy izy. Ra ny fitatarany dia efa niala nenina tamin’io vadiny io izy ny mba hiverenany saingy niala maina. Efa ela moa izy roa no nisy olana satria ilay vadiny sady tsy mba afaka nanoro hevitra anazy no tsy mba nanampy azy. Izy tena tia ana koa satria afaka nameno ny banga tao aminy aho ary mifameno tsara izahay. Za koa anefa efa miaraka amina lehilahy mitovy taona amiko saingy misy olana foana izahay satria tsy mba mitovy fijery mintsy. Tiako io tovolahy niaraka tamiko io saingy tena mahatsiaro mijaly za mitia anazy.
Mba mangataka torohevitra hoe inona re ny tokony ho ataoko fa tena sahiran-tsaina aho?