Select Page

Madagascar News Forums Crazy World Claudine Razaimamonjy is imprisoned in Manjakandriana prison

1 voice
18 replies
  • Author
    Posts
  • #458
    Madagascar
    Keymaster

    TOAMASINA: Fahafaham-baraka tsy nisy tahaka ity indray mitoraka ity
    ZANDARY 2é classe iray miasa éto Toamasina no saika matin’ny fokon’olona tao Ambolomadinika ny 14 aout tamin’ny 11ora alina.Raha ny vaovao voaray tamin’ireo vahoaka tao an-toerana dia saika namaky trano ity Ranamana ity. Tratra teny aminy ny basy iray sy rongony 100grama.Soa ihany fa tonga haingana ireo Mpitandro ny Filaminana naka azy tao
    an-toerana ka izay no tsy nahafaty azy.Mbola mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ka miandry ny tohiny…..Miasa tsara araka izany ireo andrimasom-pokonolona aty Toamasina.

    #459
    Madagascar
    Keymaster

    TANTARA NY NAMANA IRAY TERATANY MALAGASY MONINA ANY CHINE, VOARAINAY ETO

    Nandefa colis any amin’ny fianakaviany monina any Antsiranana ity namana teratany malagasy monina any Hong Kong ity, toy ny mahazatra azy hatramin’izay dia any amin’ny DHL foana izy no mandefa entana, fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia nalefany tany amin’ny ColiExpress ny colis en destination de Diego-Suarez. Efa voa loa avy any Hong Kong daholo ny frai rehetra jusqu’à Diego, kanefa lasa tonga aty Tananarivo ilay colis, ka ry zareo tao amin’ny service de douane eto Tananarivo izay tokony handefa an’ilay colis any Diego dia tsy nanao fa mila mandoa frai ny douane eto Tananarivo aloa ny tompony izay vao omeny ilay colis, kanefa ilay colis dia en destination à Diego fa tsy eto Tananarivo, ary ry zareo eto tananarivo koa dia tsy mandefa ny entana any Diego intsony, ka raha tsisy fianakaviana eto Tananarivo izany ny olona avy any Diego dia ahoana ny entany ?

    Ny mampalahelo amin’ity tantara ity dia miandry an’ilay colis ny tompon’ilay colis any Diego ary tsy afaka ho aty Tananarivo izy nohon’ny tsy fananam-bola ka voatery nijery olona indray haka an’ilay colis aty Tananarivo. Niteny indray ry zareo tao amin’ny service de douane hoe tsy maintsy mandoa 480.000FMG frai de douane ianareo vao mahazo an’ilay colis kanefa mbola tadiavindreo procuration avy amin’ilay olona tompony izay tokony haka an’ilay colis any Diego indray fa tsy ilay olona tompony sy nandefa an’ilay colis avy any Hong Kong… Raha nijery suivi ny colis anefa ilay mpandefa avy any Chine dia toa efa livrée any Diego ilay colis kanefa ny olona tokony haka azy any tsy mbola nahazo ny colis.

    Niezaka nanao izay tokony ho izy avy hatrany ilay namana avy any Diego-Suarez nandefa ny procuration rehetra tadiaviny douane aty Tananarivo mba tsy hahavery an’ilay entana. Tokony androany moa no akana an’ilay colis eny Ivato fa tsy miasa ny mpiasa ka rahampitso isika mahita ny tohiny.

    Diego-Suarez no alefa ny entana de eto Tananarivo no voatery andoava ny douane fa tsy any Diego, maha gaga.

    #460
    Madagascar
    Keymaster

    Cc groupe ! Mba hitantara kely fotsiny fa faly e! Nisy zaza kamboty kely zay nalaiko niasa tato amiko avy any ambanivohitra 8 taona lasa zay. Tao anatin ftoana niasany tato izy de ambetiteniny foana ny oe: za zao refa any aorina any de mba mety ho mpanakarena, possible vé zany ?? (Manontany ahy izy) eny hoy aho fa Andriamanitra mahalala ny hevitra hieverany antsika. Tena niasa [email protected] fo izy ary de hendry. Nampianariko zavatra maromaro iany izy satria efa ela no tato sady tiko fa hendry sy itokisana @ lafiny rehetra. Taty aorina misy mpiara miasa @ papa makato antrano ndraindray, ka nahita ny ahatsarany sy ahakantony. Nanontany ahy ny @ lay zaza de nilazaiko ny momba azy sy ny toetrany. De nteny [email protected] fa ho alainy vady izy. Nanomboka teo de faly sahirana lay zaza refa nande ny ftoana rehetra. Toa manofy zany izy oe possible io olona no haka vady azy. Nokarakaraina ny raharaha rehetra. Za sy papa zany eo no Ray aman-dReniny. Nnokarakaraina ny mariage de ny havanay sy papa no avy aty aminy. Niara nanomana ny lany rehetra zay sy lay ho vadiny. Vita ny raharaha. Ramose faly fa nahazo vady tsara tarehy sady hendry (mbola tsy nanao sipa lay zaza) no efa zatra raharaha fa tsy mihaingitraingitra. Madama kely faly fa toa tanteraka ny nofy zay tsy nampoizina. Volana vitsy zay no vita ny raharahanzareo de tonga amiko eto matetika lay zaza faly de mitomany sy misaotra ahy foana. 23 ans izy 30 ans lay Mr. Miala tsiny fa lava e! Misaotra ny groupe @ fizarana ato na @ tsara na @ ratsy. Merci Safidy Fitia.

    #461
    Madagascar
    Keymaster

    SAF248: Mazotoa nareo roa. Mba atao anonyme azafady

    Za zazavavy 23 ans miaraka amin’ny lehilahy 36 ans. Marihako fa efa niteraka 3 izy io ary ny vadiny efa lasa nanaraka lehilahy. Za nefa mbola tsy nanambady no tsy mbola niteraka.Izy aloha tiako satria matotra no sady efa lehibe. Ary vonona ny haka vady ahy izy. Ra ny fitatarany dia efa niala nenina tamin’io vadiny io izy ny mba hiverenany saingy niala maina. Efa ela moa izy roa no nisy olana satria ilay vadiny sady tsy mba afaka nanoro hevitra anazy no tsy mba nanampy azy. Izy tena tia ana koa satria afaka nameno ny banga tao aminy aho ary mifameno tsara izahay. Za koa anefa efa miaraka amina lehilahy mitovy taona amiko saingy misy olana foana izahay satria tsy mba mitovy fijery mintsy. Tiako io tovolahy niaraka tamiko io saingy tena mahatsiaro mijaly za mitia anazy.
    Mba mangataka torohevitra hoe inona re ny tokony ho ataoko fa tena sahiran-tsaina aho?

Viewing 4 posts - 16 through 19 (of 19 total)

You must be logged in to reply to this topic.